MAE
MINISTERE DES AFFAIRES ETRANGERES

Fanaovan-tsonia ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana federasionan'i Rosia

Notanterahina anio tety amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny tety Anosy ny fanaovan-tsonia ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana federasionan'i Rosia izay mikasika ny fiarovam-pirenena. Nanao sonia izany moa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenana, ny Jeneraly RASOLOFONIRINA Béni Xavier sy ny Lehiben’ny Etamazaoro Jeneraly Lefitry ny tafikin’ny federasionan'i Rosia, Evgenii Burdinskii.

Efa nisy moa ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana roa tonta nandritry ny Repoblika Faharoa, ary izao nohavaozina izao indray.

Io fifanarahana vaovao io moa dia mikasika ny fifampizarana traikefa ka isan’izany ny ady amin’ny asa fampirorohoana, ny fiarovana ny sisin-dranomasina. Ao ihany koa ny fiofanana ara-miaramila izay ataon’ny foloalindahy malagasy any Rosia ary ny fampitaovana indray ny tafika malagasy.

 



B.P 836, Rue Andriamifidy,
Anosy 101 Antananarivo - Madagascar
Mail: info-web@diplomatie.gov.mg

© Copyright 2015 - MINISTÈRE DES AFFAIRES ETRANGÈRES