MAE
MINISTERE DES AFFAIRES ETRANGERES

Fetim-pirenena maorisiana

Fetim-pirenena maorisiana : vahiny manan-kaja teo amin'ny Champ de Mars ny filoham-pirenena mivady

Nankalaza ny faha 51 taonan’ny fahaleovantenany ity nosy rahavavy ity ary koa ny faha 27 taonan’ny repoblika maorisiana. Henin-kaja i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady izay voaasa manokana, nandritra ny fankalazana teny an-toerana. Ankoatrin'ireo hetsika nataon'ny tafika maorisiana sy indiana dia nanamarika ny fankalazana ny fetim-pirenena maorisiana tamin’ity taona ity ihany koa ny fandraisana anjaran’ny mpianatra malagasy 21 avy ao amin’ny ACMIL izay nitondra avo ny sainam-pirenena malagasy sy ny voninahitry ny Tafika malagasy. Nandray anjara tamin’ireo hetsika ara-kolontsaina, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantenan’ny Nosy Maorisy, ihany koa ny filoham-pirenena mivady.



B.P 836, Rue Andriamifidy,
Anosy 101 Antananarivo - Madagascar
Mail: info-web@diplomatie.gov.mg

© Copyright 2015 - MINISTÈRE DES AFFAIRES ETRANGÈRES